Nitokana ny fotodrafitrasa vaovaon'ny Ivotoeram-pampiofanana mpampivelona sy mpitsabo mpanampy (IFIRP) sy ny trano fianarana fanampiny ho an'ny Fakiolten'ny “Médecine” ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara RANDRIANIRINA Michaël, ny 26 mey 2026 tao amin'ny Oniversiten'i Mahajanga. Nanotrona azy nandritra izany ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ary mpikambana ao amin’ny Governemanta vitsivitsy.

Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana fa hatsangana eny amin’ireo Oniversite enina ny “Campus Universitaires” mahazaka mpianatra 5 000 ka anisan'izany ny Oniversiten'i Mahajanga. Efa manomboka ny asa fanamboarana ny lalana miditra sy ao anatin’ny Oniversite. Nanolotra “hotspot wifi gratuit” sy solosaina miisa 100 ho an’ny Oniversiten'i Mahajanga ny Filoha ary nanolotra lelavola 20 tapitrisa Ariary ho an’ny mpianatra ihany koa izy.

Nisaotra azy ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy noho ireo ezaka fanatsarana ny fiainan'ny mpianatra sy ny Oniversite. Nanentana ny mpianatra hikajy ireo fitaovana sy fotodrafitrasa ihany koa izy. Nankasitraka ny fandraisana ny hetahetan’ny Oniversite’i Mahajanga kosa ny Filohan’ny Oniversite, Pr Blanchard RANDRIANAMBININA.