Ao anatin’ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fanomanana ireo tanora ho amin’ny tontolon’ny asa. Notanterahina ny 22 mey 2026 teny amin’ny Esplanade Andrainjato, Fianarantsoa, 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐧𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐢𝐯𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐄́𝐜𝐨𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐠𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐞𝐭 𝐝’𝐈𝐧𝐧𝐨𝐯𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐓𝐞𝐜𝐡𝐧𝐨𝐥𝐨𝐠𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐄𝐌𝐈𝐓).
Nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, izay manamafy hatrany ny fanohanany ny fanofanana tanora mendrika sy vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Naneho fisaorana manokana ny EMIT tarihin’ny Taleny, Pr RAKOTONIRAINY Hasina izay namolavola ny rindrabaiko Portail National de l’Enseignement Supérieur (PNES) fikirakirana vatsim-pianaran’ny mpianatra manerana an'i Madagasikara ny Minisitra nandritra ny lahateniny.
Ity lanonana ity no namarana tamin’ny fomba ôfisialy ny “Herinandron’ny Orinasa” nokarakarain’ny Sekoly. Nandritra izany no nanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra nahavita ny fianarany : mpianatra 307 avy amin’ny andiany NOVA no nahazo ny mari-pahaizana Licence, mpianatra 397 avy amin’ny andiany MIAVAKA no nahazo ny Master avy amin’ireo sampam-piofanana telo ao amin'ny EMIT : Management, Informatique ary Information, Communication et Multimédia.