𝑁𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑟𝑎-𝑡𝑠𝑖𝑎𝑛𝑠𝑎, 𝑑𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑜𝑚𝑒 𝑙𝑎𝑛𝑗𝑎 𝑙𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑣𝑜𝑘𝑎-𝑝𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑛𝑡𝑟𝑎𝑖𝑘𝑎𝑛𝑦 𝑚𝑖𝑣𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛𝑑𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜.
Notontosaina tetsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ny 20 mey 2026, ny fihaonana sy fifanakalozana "Toko Telo" (T3) narahina famelabelaran-kevitra momba ny fitantanana sy ny fampiasana indray ny fako organika sy plastika. Tanjona ny hanampy amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny mponina ary hamorona asa hoan'ny tanora.
Noresahana nandritra izany ny fanodinana ny fako plastika ho « pavé autobloquant », ny fitantanana ny fako organika « fermentescible », ny fiantraikan’ny fanodinana plastika amin’ny tontolo iainana ary ny anjara toeran’ny fananana ara-tsaina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nikarakara ny hetsika ny CIDST niaraka tamin'ny CNRIT sy ny Alliance AIKA. Nitarika ny fotoana ramatoa Talen'ny CIDST, Ramatoa RAJAONARISON Marcella Julie.