Nataon'ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy lohalaharana nandritra ny fandalovany ao Toliara ny fifampiresahana amin’ireo mpisehatra fototra amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Nanombohany izany ny 16 aprily 2026 ny fihaonana tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Oniversiten'i Maninday, Toliara notarihin'ny Filohany, Dr VERIZA Roberto Francis. Tao aorian'izany dia nihaona avy hatrany tamin’ny SECES ny Minisitra, izay nanehoana ny hetaheta, nifanakalozan-kevitra momba ireo olana sedraina, ary nandinihana soso-kevitra sy vahaolana azo tanterahina. Maro ireo fitakiana nataon'ny SECES izay nodian-tsy hita teo aloha ary voavaha izany ankehitriny noho ny ezaka ataon'ny Minisitra.

Namaranana ny fihaonana ny fifanakalozana tamin’ireo mpianatra. Nangatahan'izy ireo ny hampiakarana ny vatsim-pianarana, manoloana izany dia nanambara ny Minisitra fa havoaka tsy ho ela ny valin'izany. Nampahatsiahivina ihany koa ny fifampitondrana sy ny fifanajana eo amin'ny mpampianatra sy ny mpianatra.