𝑁𝑦 𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆 𝑑𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑜𝑚𝑒 𝑙𝑎𝑛𝑗𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑟𝑜𝑏𝑜𝑟𝑜𝑏𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑚𝑖𝑟𝑒ℎ𝑎𝑟𝑒ℎ𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑚𝑝𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜𝑘𝑎 𝑀𝑎𝑙𝑎𝑔𝑎𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑣𝑎ℎ𝑎𝑜𝑙𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎.
Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana , ny 15 Aprily 2026, ny Dr RAVELOMANANTSOA Santatra, mpikaroka-mpampianatra sady Lehiben’ny Sampana Fikarohana Ara-pambolena ao amin’ny FOFIFA, izay nandrombaka ny loka “Fondation FARM 2026” tany Paris ny 17 febroary 2026.
Ity loka iraisam-pirenena ity dia mankasitraka ireo asa fikarohana mitondra vahaolana mivaingana ho an’ny tontolo ambanivohitra sy ny fampandrosoana ny fambolena, indrindra amin’ny fiantohana ny fanjariana ara-tsakafo. Manome lanja ihany koa ny asa fikarohana eto Madagasikara sy ao amin’ny FOFIFA.
Ny asa fikarohana nataony dia mikasika ny fifehezana ny aretina fandazo izay mihatra amin’ny fambolena ovy nahafahana nampihena ny fiparitahan’ny bakteria manimba ny voly ovy, ka voafehy amin’ny 70 % ny vahaolana ankehitriny tamin’ny alalan’ny fanentanana.