Naneho ny fanohanany ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena notanterahina tao amin’ny "Faculté des Droits et des Sciences Politiques" (FDSP), Oniversiten'Ambohitsaina, Ankatso ny 14 aprily 2026.
Mitondra ny lohahevitra hoe: “Lalàn’ny varotra iraisam-pirenena ao anatin’ny fiovàna” ity fihaonambe ity, izay nanomboka ny 13 aprily 2026 ary hitohy hatramin’ny 15 aprily 2026.
Oniversite sy mpikaroka avy amin’ny firenena maro no mandray anjara, isan’izany i Madagasikara, Frantsa, Alemaina, La Réunion, Nosy Maorisy, Seychelles, Italia ary Etazonia, izay manamafy ny lanjan’ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa ara-tsiansa maneran-tany.