Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aprily teny amin’ny CCI Ivato ny Fikaonandoham-pirenen’ny tanora. Nanokatra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, notronin’ireo Mpanolotsaina Avo sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nandray anjara mavitrika ihany koa ireo solontenan’ny tanora avy amin’ny Oniversite manerana ny Nosy, nitondra ny feony ho an’ny hoavy maharitra sy mandroso ho an'ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara.
Aorian'izao fanokafana izao dia hisy ny fakan-kevitra hihainoana ny feon’ireo tanora eny anivon’ny faritra, distrika ary kaominina sy ireo tanora Diaspora. Tanjona ny hanomezana sehatra mitovy anehoan'ireo tanora ny heviny sy hampandraisana anjara azy ireo amin’ny fanarenana ny hoavin'i Madagasikara.
Nanamafy ny Filoha fa misokatra amin’ny soso-kevitra rehetra ny Fitondram-panjakana.