Nandritra ny “Africa Summit Education 2026” andiany faha-4, izay natao tany Accra, any Ghana, ny 19 hatramin’ny 21 martsa 2026, dia nisongadina ireo mpampianatra sy mpanabe avy eto Madagasikara.

Ny 13 aprily 2026, noraisin’ireo Minisitra telo misahana ny fanabeazana eto Madagasikara, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa, Minisitry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa, teto Fiadanana ireo solontena Malagasy nahazo fankasitrahana tamin’ity andiany ity.

Anisan’izany ny Pr REJO-FIENENA Félicitée, Ramatoa RASOANANTENAINA Mamisoa ary Pr RAKOTONIRAINY Hasina. Izy ireo dia tafiditra ho isan’ireo olona 100 voafantina mendrika indrindra amin’ny sehatry ny fanabeazana aty Afrika tamin’ireo mpandray anjara 1000 avy amin’ny firenena 53. Lohahevitra niraisana tamin’izany ny hoe: “Fampandrosoana ny fampidirana ny EdTech ao amin’ny fanabaeazana Afrikanina : tondrozotra iraisana ho amin’ny asa”. Tanjona ny fampiroboroboana ny sehatry ny teknolojia nomerika hanova ny fampianarana ary manala ny elanelana any ambanivohitra sy andrenivohitra.

Niarahaba sy nankasitraka azy ireo ny Minisitra telo, noho ny fanandratana avo ny hasin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara.

Marihina fa i Madagasikara no handray ny “Africa Summit Education” andiany faha-5 amin’ny taona 2027.