Manoloana ny haitrano nitranga ny marainan’ny 29 martsa 2026 tao amin'ny trano fonenan'ny mpianatra ao Ankatso II, bloc 51, dia nidina ifotony avy hatrany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa-tanana, ary koa ny Filoha Lefitry ny Oniversiten’Antananarivo, izay tonga nijery ifotony ny zava-misy, nankahery ary nitondra fanampiana ho an’ireo mpianatra traboina.

Araka ny tatitra voaray, dia vokatry ny “court-circuit” no nahatonga ny afo. Mpianatra 35 no traboina tamin’izao loza izao, ka 17 ny vehivavy nafindra ao amin’ny Bâtiment R+3 Rose, ary miisa 18 kosa ny lehilahy nafindra ao amin’ny Bâtiment R+3 Vert.

Ho fanampiana vonjimaika, dia nanolotra fitaovana ilaina andavanandro ny Fitondram-panjakana, toy ny fitaovana an-dakozia, lamba firakotra, ary sakafo fototra (PPN) toy ny vary sy menaka.

Ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia maneho ny firaisankina sy mitondra teny fankaherezana ho an’ireo mpianatra traboina.