Tontosa ny 17 martsa 2026, tao amin’ny Amphithéâtre ESSA Ankatso, ny lanonana fanokafana ny andian-dresaka sy fifanakalozan-kevitra antsoina hoe "Cycle de dialogues" mitondra ny lohahevitra "Forêt en débat : savoirs, pouvoir et gouvernance de la biodiversité".

Tanjona ny hametraka sehatra malalaka hifanakalozana eo amin’ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana avy amin'ny Oniversite, ny mpanao politika sy ny mpanatanteraka eo anivon'ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena sy ny olom-pirenena tsotra. Ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) dia manohana hatrany ny hetsika izay mampifandray ireo mpisehatra ireo araka ny nambaran’ny Talen’ny Fikarohana sy ny Haivao, Pr DOMINIQUE Volaravo Josie, nanditra ny lahateny nanokafany ny lanonana.

Amin’ny alalan’ity fifanakalozana ity no hahafahana manatsara ny fomba fiasa sy ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny harena voajanahary (biodiversité) eto Madagasikara mba ho tombontsoan’ny tontolo iainana sy ny hoavin'ny firenena.

Teo ambany fiahian’ny MESUPRES sy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny “Laboratoire Océan Indien de la Fondation de l’Innovation pour la Démocratie”, ny “École Supérieure des Sciences Agronomiques” (ESSA-Forêt), ny Ivotoeram-pikarohana momba ny Tontolo Iainana (CNRE), ny “Alliance AIKA” ary ny “Institut de Recherche pour le Développement” (IRD).