𝑀𝑖𝑎𝑟𝑎-𝑑𝑎𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑛𝑦 𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑎𝑟𝑖𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑜𝑚𝑏𝑖𝑎𝑧𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑙𝑜𝑡𝑟𝑎 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 13 Martsa 2026 tao amin’ny Oniversiten’Itasy ao Soavinandriana ny taom-pianarana 2025-2026 ho an’ireo Oniversite sy IST manerana an’i Madagasikara. Nanokatra izany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana. Nanatrika izany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, ireo Filohan’ny Oniversite sy IST, Sojabe, Lehiben’ny Sampam-pianarana, Masoivoho, Solombavambahoaka ary olo-manan-kaja maro.
Nanentana ny mpianatra hifantoka amin’ny fianarana sy hanangona fahalalana ary tsy hanaiky hosarihana amin'ny lalan-diso ny Filohan’ny Fanavaozana. Nankasitrahany manokana ireo tokotelo mahamasanahandron'ny ny Fampianarana sy ny Fikarohana izay nantsoiny ho fanilo manazava ny lalan’ny tanora.
Nanamafy ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES fa hanohy hiara-dalana amin’ny Oniversite hatrany ny Ministera amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fikarohana.
Taom-pianarana tsy sembanin'ny fitokonana no fanamby napetraka hoy ny Pr RANDRIANAMBININA Blanchard, Filohan'ny Oniversiten'i Mahajanga raha nitondra ny tenin’ny Oniversite sy IST manontolo.
Notokanana nandritra ity fotoana ity ihany koa ny Tanànan'ny mpampianatra na “Village des Professeurs”, ahitana trano miisa 31, ho fanatsarana ny fari-piainan’ireo mpampianatra. Nitokana izany niaraka tamin’ny Filoha ny Filohan'ny Oniversiten'Itasy, Pr RANDRIANJA Roger.