𝐴𝑚𝑏𝑜ℎ𝑖-𝑝𝑖ℎ𝑎𝑜𝑛𝑎𝑛'𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑣𝑒ℎ𝑖𝑣𝑎𝑣𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑒𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 24 𝑒𝑡𝑜 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑖𝑣𝑜.

Diabe nihodidina ny farihin'Anosy niainga teny Antanimbarinandriana ary nifarana teo amin’ny Lapan'ny Fitsarana Anosy, no nankalazana ny andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'ny vehivavy ny 8 martsa 2026. Nitarika izany Ramatoa RANDRIANIRINA Elisa vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara izay reny mpiahy ny hetsika.

Niara-nientana sy nandray anjara mavitrika tamin'izany ny vadin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sy ireo vehivavy tompon’andraikitra sy mpiara-miasa avy amin'ny Fianakaviamben'ny MESUPRES. Nisy ihany koa ireo Oniversite sy Ivotoeram-pikarohana nankalaza izany tany amin’ny Faritra.

« Ny Vehivavy Malagasy: Hery iray ho an'ny Fanavaozana ny Firenena » no lohahevitra nanamarihana ny fankalazana tamin'ity taona 2026 ity.