Tonga nijery sy nanara-maso ny fitohizan’ny asa fanarenana ny tanànan'i Toamasina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza GEZANI ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, ny 7 martsa 2026, niaraka tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy mpikambana maro ao amin’ny Governemanta. Anisan'ireo voakasiky ny faharavana ny Oniversiten'i Toamasina ka niresaka mivantana tamin'ireo solontenan'ny mpianatra tao amin'ny Centre Opérationnel BNGRC tao amin’ny PACT ny Filoha.

Taorian'izany dia nihazo avy hatrany ny Oniversite ao Barikadimy ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

𝐍𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐨𝐯𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 :

𝟏- 𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny Oniversiten’i Toamasina. Vokatr’izany dia nahazo solosaina miisa 100 hampiasaina amin’ny fampianarana ampitain-davitra sy an-jotra ny Oniversite. Hanampy amin’ny fitohizan’ny fampianarana izany, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Pr RAZANAKOLONA Diny.

𝟐- 𝐃𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐥𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐚𝐡𝐞𝐭𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚

* 𝐅𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚

90 % amin’ireo fangatahan’ny mpianatra no voavalin’ny Banky Iraisam-pirenena hanarenana ny fotodrafitrasa. Raha vantany vao voaray ny vola dia hanomboka avy hatrany ny asa, ary ezahana ho vita ao anatin’ny 30 andro izany. Hisy komity hatsangana handrindra sy hanaraha-maso ny asa vita. Handrafitra izany ny solotenan'ny Minisitera, ny mpianatra sy ny mpampianatra ary hisy ny tatitra halefa amin’ny Fitondram-panjakana isan-kerinandro.

* 𝐕𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Tsy ho raisina eny amin’ny Paositra Malagasy intsony ny vatsim-pianarana amin’ity taona ity. Nahemotra ny fe-potoana farany fisoratana anarana ho an’ny mpianatra ao Toamasina, ary iray volana aorian’ny fisoratana anarana dia tokony hanomboka hahazo vatsim-pianarana ny mpianatra.

* 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚 :

Nanome toky ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena fa hiaro sy hanohana ny fampiakarana ny isan’ny "poste budgétaire" ho an’ny MESUPRES mandritra ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana eny amin’ny Antenimieram-pirenena.

Nanotrona ny Minisitra nandritra ity fotoana ity ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta niaraka tamin'ny Solontenan’ny Banky Iraisampirenena monina eto Madagasikara, Andriamatoa Atou Seck sy ireo olo-manan-kaja maro ao an-toerana.