Nofaranana tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena ny fandalovan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, tao Mahajanga ny 5 martsa 2026. Nifanandrina tamin’ny lalao "basket-ball" ny ekipa mpianatra sy ny mpampianatra, ary nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Minisitra.
Nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny mpianatra ny tenany, toy ny baolina (football, basket, volley), "filet", "maillot" ary "coupe". Nampatsiahiviny tamin’izany fa efa misy ny “Direction des Sports Universitaires et de la Culture” (DSUC) eo anivon’ny MESupRes, izay hikarakara sahady ny UNIVERSIADE amin’ity taona ity.
Tanjona ny hanasongadinana ny firaisankina sy ny fananganana kolontsaina sy fanatanjahantena manerana ny Anjerimanontolo.