Nandritra ny fandalovany tao Mahajanga ny 5 martsa 2026 dia nihaino sy nitafa mivantana tamin’ireo tokotelo mahamasanahandron'ny fampianarana ambaratonga ambony (mpampianatra, mpianatra, mpandraharaha) ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nifantoka tamin’ny fangatahana sy hetahetan’ny tsirairay ny dinika, ka naneho mazava ny filàna sy fanamby iainan’ny sehatra. Hohezahana vahana araka ny laharam-pahamehany izany hoy ny Minisitra.