Ny 05 Martsa 2026, notanterahina tao amin'ny Oniversiten'i Mahajanga, teo anatrehan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy Fifandraisan-davitra sy ny Oniversiten'i Mahajanga. Natolotra tamin'ny fomba ofisialy nandritra izany ireo solosaina 100 avy amin'ny MNDPT.

Nanentana ireo mpianatra hikajy sy hikojakoja tsara ireo fitaovana ireo ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ary nilaza ny hampita mivantana ny hetatahen'ny fianakaviamben'ny Oniversite any amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Fanombohana ihany izao fanampiana ataon'ny MNDPT izao, fa mbola hisy ny manaraka amin'ny fifanomezan-tanana eo amin'ny Minisitera roa tonta.

Hanatsara ny fepetra hianaran'ny mpianatra, hijoro hampiofana sy hanompo ny fiaraha-monina ary hanavao ny fombam-pampianarana, ny Oniversiten'i Mahajanga amin'ny fahazoana ireto fampitaovana ireto, hoy ny Filohany, Pr RANDRIANAMBININA Blanchard.