Mitohy ny ezaka hanatsarana ny famatsiana rano ho an’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa PAAEP dia niroso tamin’ny fandravana ireo trano miorina tsy ara-dalàna ao anatin’ny tanin’ny Oniversite ny Centre des Œuvres Universitaires Ankatso (CROU-A) sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 3 martsa 2026.
Nandritra ny taona maro dia efa nisy ny olana teo amin’ny famatsiana rano teny an-toerana. Araka ny fanazavana nataon'Andriamatoa RASOLONIRINA Jean Jacques (DICU), tanjona amin’izao hetsika izao ny hahafahan’ny mpianatra sy ny mponina manodidina misitraka rano madio sy ampy fa eo ihany koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fari-piainan’ny mpianatra eny amin’ny toeram-ponenany.
Efa nampahafantarina mialoha ireo voakasik’ity fandravana ity, ka natao ny volana oktobra 2025 sy febroary 2026 ny fampahafantarana ofisialy.