Ao anatin’ny fampiharana ny Politika Nasionalin’ny Fikarohana Ara-tsiansa sy ny Haivao (PNRSI) dia niara-nidinika mivantana sy ampitain-davitra ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly miankina amin’ny Fanjakana sy ireo Talen’ny Ivotoeram-pikarohana, ny 3 martsa 2026 tao Fiadanana. Nitarika ny fotoana ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala.
Tanjona ny hametraka rafitra iombonana amin’ny fitantanana sy ny fomba fiasan’ny Sekoly Doktoraly ary ny Ivotoeram-pikarohana manaraka ny lalàna sy ny fitsipika manan-kery, ary indrindra mba hahatonga ny voka-pikarohana hipaka mivantana amin’ny fiainan’ny olom-pirenena.
Nandritra ny fivoriana dia tapaka fa rehefa voafaritra ny rijan-teny iraisana momba ny fikarohana ara-tsiansa dia hiroso amin’ny fampiharana izany avy hatrany. Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ihany koa ny hananganana “plateforme” iray ao anatin’ny telo volana, hanangonana sy hampahafantarana ireo “thèses” sy asa fikarohana vita manerana ny Nosy.
Hisy ihany koa ny “Forum” iarahan’ny manam-pahaizana amin’ny Ivotoeram-pikarohana sy ny Sekoly Doktoraly mikarakara, eo ihany koa ny fifaninanana anatiny hisafidianana ny voka-pikarohana tsara indrindra ary fifaninanana nasionaly handraisan’ny Talen’ny fikarohana sy ny mpanao “thèse” anjara.
Tanjona amin’ireo hetsika ireo ny hanasongadinana ny haitsaran’ireo manam-pahaizana sy hampiroboroboana ny kalitaon’ny fikarohana eto Madagasikara.