Dingana lehibe eo amin'ny sehatry ny fikarohana ny fisiana tetikasa hahazoan'ny vahoaka Malagasy misitraka rano fisotro madio. Tanjon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ihany koa ny mampiroborobo ny fikarohana misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan'ny vahoaka Malagasy.
Ny 03 Martsa 2026 dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin'ny Oniversiten' Antananarivo ny taom-pianarana vaovao ho an’ny lalam-piofanana fitantanana sy fanodinana ny rano (Master), sy ny lalam-piofanana Rano sy angovo (Licence). Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa DEFI EAU vatsian'ny Vondrona Eoropeanina vola miaraka amin'ny Erasmus ary vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo Oniversite mpiaramiombon’antoka toy ny Oniversite de Limoges, Oniversite Liège, Oniversite Vasile Alecsandri din Bacău ary ny Oniversiten'i La Réunion.
Toeram-piofanana ambony sy Oniversite miisa 5, dia ny Oniversiten'Antananarivo ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa, Oniversiten'Antsiranana, IST Antsiranana, IST Ambositra, IST Antananarivo no handray ireo mpianatra. Mpianatra 25 hanao Licence sy 25 hanao Master no manaraka ny fampianarana amin’izao andrana sy fanombohana izao. Tanjona ny hananana teknisiana matihanina momba ny rano voaofana araka ny tena filàn’ny vahoaka sy ny Firenena.
Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Elia.