Notanterahina ny 2 martsa 2026 teto Fiadanana ny Fananganan-tsaina notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, ho an’ity volana martsa ity.

Nandritra izany no nampahatsiahiviny fa nisy fivoriana mikasika ny fanatsarana ny fomba fiasa eto anivon’ny Minisitera, ka nanentana ny mpiasa rehetra ny Sekretera Jeneraly mba hanatanteraka ny toromarika napetraka ary hanome fahafaham-po ireo manan-draharaha eto amin’ny Minisitera. Tsy ekena ny kolikoly ary maimaim-poana avokoa ny tolotr’asa omen’ny Minisitera. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa.

Nisy ihany koa ny fanentanana amin’ny fanomanana ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy. Handray anjara mavitrika amin’izany ny MESUPRES, ka ny 6 martsa dia hisy fambolen-kazo iarahan’ny rehetra tarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena any Talata Volonondry. Ny 8 martsa 2026 kosa dia hisy diabe miainga eny Tanimbarinandriana ka hifarana eny amin’ny Tribonaly Anosy.

Mirary herinandro feno fahombiazana ho an’ny rehetra!