Nitsidika ny Oniversiten’i Mahajanga ny delegasiona avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny 27 sy 28 febroary 2026, notarihin’ny Talen’ny Kabinetra Pr RAHERIMANDIMBY Marson, ary noraisin’ny Filohan’ny Oniversite Pr RANDRIANAMBININA Blanchard. Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny Oniversite ity fihaonana ity ary mikendry ny hitondra vahaolana sy hampiroborobo ny fampandrosoana ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony.

Nodinihina nandritra ny fitsidihana ny fanamboarana sy fanatsarana ireo trano fianarana, ny famatsiana rano amin’ny alalan’ny "forage", ary ny trano fonenan’ny mpianatra.