Nanatanteraka fivoriana ho fanamafisana sy fanatsarana hatrany ny fomba fiasa ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, niarahana tamin’ireo Tale Jeneraly, Tale ary Lehiben’ny Sampandraharaha, ny 27 febroary 2026, tao Fiadanana. Nosokafan’ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny fotoana, ary ny Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, Sekretera Jeneraly, no nitarika ny dinika sy ny fandrindrana ny fivoriana.

Nifantoka tamin’ny fomba hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa ary ny asa atolotra ireo rehetra manan- draharaha eto anivon'ny Minisitera. Izany dia mifanaraka indrindra amin’ny tanjon’ny Minisitera ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa.

Anisan’ny laharam-pahamehana napetraka ny firosoana amin'ny « digitalisation », ka kendrena ny hanatanterahana ny « automatisation des services » ao anatin’ny roa taona. Izany dia ho enti-manatsara ny fahombiazan’ny asa, hampihenana ny fahatarana ary hanamafisana ny mangarahara amin’ny tolotra omena.

Voaresaka ihany koa ny fanomanana ny “Yellow Book”, izay hanamafisana sy handrindrana ny fomba fiasa sy ny fitsipika anatiny. Nandray anjara mavitrika tamin’ny adihevitra ireo tompon’andraikitra, ka nanolotra soso-kevitra hanatsarana bebe kokoa ny paikady hotanterahina.