Nahazo ivon-toerana "American Space" vaovao ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Nitokana izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Mpiandraiki-draharaha amerikana, Ramatoa Stephanie ARNOLD ary ny Filohan’ny Oniversite, Pr HAJALALAINA Aimé Richard, ny 26 febroary 2026.

Fandaharanasa maro no tohanan’ny Governemanta Amerikanina ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ka anisan’izany ity "American Space" ity, izay mampitombo ny fahafahan’ny daholobe misitraka fitaovana fanovozam-pahalalana momba ny fanabeazana sy ny kolontsaina amerikana. Anisan’ny fanohanana ihany koa ny fampiantranoana ny "American English Language Fellow", manampahaizana amerikana amin’ny fampianarana teny anglisy, izay manolo-tsaina sy manamafy ny fahaiza-manaon’ny Sampam-pianarana teny anglisy. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny "Stony Brook University", Oniversite lehibe eo amin’ny sehatry ny fikarohana any Etazonia izay efa ela no nanao fikarohana tao amin’ny valan-javaboaharin’i Ranomafana.