Notokanana tamin’ny fomba ôfisialy teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 26 Febroary 2026 tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny FabLab Solidaire Hay Tao sy ny Orange Digital Center (ODC).

« 𝑇𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑜𝑡𝑠𝑖𝑛𝑦 𝑖𝑡𝑦, 𝑓𝑎 𝑓𝑎𝑛𝑒𝑘𝑒𝑛𝑎 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑓𝑖𝑗𝑒𝑟𝑦 𝑣𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑚𝑎𝑓𝑦 𝑓𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑒𝑡𝑜 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑜𝑛𝑜𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑡𝑎̀𝑛𝑎 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑜𝑡𝑠𝑖𝑛𝑦, 𝑓𝑎 𝑚𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎, 𝑓𝑎𝑛𝑜𝑣𝑎̀𝑛𝑎 𝑛𝑜𝑚𝑒𝑟𝑖𝑘𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑓𝑖𝑑𝑖𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎. » hoy Andriamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny.

Ireo fotodrafitrasa roa ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF), ary ny Orange Madagascar, izay mikendry ny hanamafy ny fahaiza-manao nomerika, hanohana ny fanavaozana, ary hanamora ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa.

Ny FabLab, miorina ao amin’ny «Centre d’Employabilité Francophone», dia manome fiofanana amin’ny fahaiza-manao tekinika, famoronana, ary fiomanana amin’ny tontolon'ny asa. Ny ODC kosa dia manohana ny tanora amin’ny sehatra nomerika, mampirisika azy ireo haneho ny maha-izy azy, hikaroka, hamorona, ary hanangana hevitra vaovao.

Manentana ny tanora hanararaotra ireo fotodrafitrasa ireo ny Minisitra, hahafahana mandeha lavitra sy mitondra fampandrosoana.