Notokanana ny 23 Febroary 2026 tao amin’ny Oniversiten’Itasy ny tobim-pamantarana ny toetrandro. Nanatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ary ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara.

Ity tobim-pamantarana ity dia mandrefy tsy tapaka ny maripàna, ny fitsokan’ny rivotra, ny hamandoana, ny tsindry rivotra, ary ny hafainganam-pandeha sy ny lalan’ny rivotra, ary koa ny rotsak’orana. Ny angon-drakitra azo avy aminy dia hanatsara ny vinavinan’ny toetrandro sy hanamafy ny fampitandremana mialoha, ho fiarovana ny vahoaka sy ny tantsaha.

Ireo fitaovana ireo dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa DINAAMICC, vatsian’ny Vondrona Eoropeanina, izay hanamafy ny fahaiza-manao ara-tsiansa eo amin’ny sehatry ny toetrandro sy ny fiovan’ny toetrandro.

Nohamafisin’ny Minisitra nandritra ny lahateniny fa vonona hatrany hiara-hiasa amin’ireo mpiaramiombon’antoka rehetra mitondra fanavaozana ho an’ny Oniversite manerana an’i Madagasikara ny MESUPRES.