Tsy mitsahatra ny mitady vahaolana amin’ny fanatsarana ny fiainan'ny mpianatra sy ny fotodrafitrasa eny anivon’ny Oniversite ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Mpiaramiombon’antoka maro no manolotanana ny amin'ny fanatanterahana izany. Ho an'ny Sekoly Ambony Polyteknika Antananarivo Vontovorona (ESPA) dia napetraka ny 21 Febroary 2026 ny vato fototra amin'ny fanorenana fefy tamboho mirefy 1000m manodidina ny Campus. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasan'ny MESUPRES sy ny Fondation VISEO izay natao sonia ny volana novambra 2025.
Tanjona ny hiantohana ny fandriampahalemana eny amin’ny Sekoly sy ahafahan'ny mpianatra miaina amim-pilaminana. Mbola maro ihany koa ireo fanatsarana sy fanorenana an-dalam-pandinihana miaraka amin'ny mpiara-miombon’antoka ho an'ny Oniversite manerana ny Nosy. Velo-pisaorana tanteraka amin'ny izao fihetsika izao ny mpianatra.
Nitarika ity lanonana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fondation VISEO, notronin'ny Talen'ny CNOU sy ny Filohan'ny ESPA ary olo-manan-kaja maro.