Teo ambany fitarihan’ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, lanonana roa sosona no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny 21 Febroary 2026 dia ny :

- varotra fitaovana nomerika mora vidy ho an'ny rehetra

- sy ny andrana amin'ny fivarotana solosaina mora vidy ho an'ny mpianatra.

Fandaharan'asa avy amin’ny Governemanta Malagasy miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny alalan’ny DECIM (Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar). Fitaovana nomerika misy aterineto miisa 664 000 no ho hita eny amin'ny tsenambarotra manerana ny Nosy. 400 000 amin'ireo natokana ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy ary solosaina miisa 1400 kosa dia natokana ho an'ny mpianatra.

Hanaovana andrana amin'ny fivarotana solosaina ny Oniversiten'Antananarivo sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa mialoha ny hanitarana ny tetikasa amin'ny Oniversite manerana ny Nosy.

Manamafy ny fametrahana ny toeran'ny fampianarana ambony eto Madagasikara ity tetikasa ity hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandritra ny lahateniny. Nohamafisiny ihany koa fa fitaovana tena ilaina amin’ny fikarohana sy fianarana ny solosaina sy ny fitaovana nomerika ary mandray anjara amin’ny famokarana fahalalana sy manampy amin'ny sehatry ny asa.