Manoloana ny fitarainana sy ny olana mahakasika ny fitsinjarana ireo fanampiana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza, dia nihaona mivantana tamin’ireo Filohan’ny Fikambanana pegagojika sy isa-paritra tao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy – Toamasina ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 20 Janoary 2026.
Nandritra ny fihaonana no nanamafisana fa laharam-pahamehana ny mangarahara, ny fahitsiana ary ny fizarana ara-drariny ireo fanampiana ho an’ireo mpianatra traboina, mba tsy hisian’ny tsy fitoviana.
Ho fanamafisana ny fandrindrana dia natsangana avy hatrany ny komity manokana hiandraikitra ny fitsinjarana ireo fanampiana. Hanaramaso akaiky ny fizotran’ny fizarana kosa ny eo anivon'ny fitantanan-draharahan’ny Oniversiten’i Toamasina.