Mitohy mankany amin’ny fanatsarana, fanavaozana sy fihavaozana amin’ny lafiny nomerika ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 20 febroary 2026 tetsy amin’ny Carlton Anosy ny tetikasa fanovàna ny Ivotoerana Nasionaly momba ny Fampianarana Ampitain-davitra eto Madagasikara (CNTEMAD) ho «Université Virtuelle Publique» (UVP).

Tanjona ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy fampanakaikezana ny fahalalana ho an’ireo mpianatra manerana ny Nosy ary famerenana indray ny hasin’ny diplaoma sy ny fahatokisan’ny mpianatra ny CNTEMAD.

Niantso ny fiaraha-mientan’ny mpiaramiombon’antoka rehetra, ny mpampianatra, ny mpianatra amin’ny fanatanterahana izao tetikasa izao ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandritra ny lahateny nataony ary nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana nanao vaindohan-draharaha ny fanatsarana ny fampianarana ambony.

Miara-manatanteraka ny tetikasa amin’ny MESUPRES ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), miaraka amin’ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny SAYNA ho fanatanterahana ara-teknika, ary manohana izany ny Banky Iraisampirenena amin’ny alalan’ny vondrona DECIM (Digital Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar).

Marihina fa mihoatra ny 200 000 ireo nisitraka ny fampianarana ampitain-davitra hatramin’izay.