Ho fankasitrahana ny ezaka izay nataon'ireo mpikaroka Malagasy mirahalahy, 𝐏𝐫 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌𝐁𝐀𝐙𝐀𝐅𝐘 𝐉𝐨𝐧𝐚𝐡, "𝐩𝐫𝐢𝐦𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐠𝐮𝐞" sy 𝐏𝐫 𝐋𝐢𝐥𝐲-𝐀𝐫𝐢𝐬𝐨𝐧 𝐑𝐄𝐍𝐄́ 𝐃𝐄 𝐑𝐎𝐋𝐀𝐍𝐃, "𝐨𝐫𝐧𝐢𝐭𝐡𝐨𝐥𝐨𝐠𝐮𝐞" izay nahavita be tamin'ny sehatry ny fikarohana ara-tontolo iainana teto Madagasikara dia notoloran'ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety ara-tontolo Iainana (AJE), mari-pankasitrahana izy ireo ny 19 Febroary 2026 tao amin'ny HAVORIA, Anosy.
Hetsika notontosaina teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARIVELO Herintsalama, izay notronin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ary ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.
Manasongadina ny lanjan’ny fikarohana ho an’ny firenena ity hetsika ity ary manaporofo fa ireo mpikaroka Malagasy dia afaka mitondra fandraisana anjara lehibe amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mampahatsiahy ny tanora fa misy lanjany ny fianarana sy ny fikarohana.