Ao anatin'ny firaisan-kina ho fanampiana ny Oniversiten'i Toamasina vokatry ny fandalovan'ny rivodoza GEZANI dia nitondra fanampiana ho azy ireo ny solontenan'ny Orange Solidarité notarihin’ny Tale Jeneralin'ny Orange Madagascar, Ramatoa Aminata Ndiaye Niang.
Forage iray, solosaina miisa dimy sy vary telo taonina ary voamaina iray taonina no natolotr'izy ireo ary hanatanteraka ny fanarenana efitrano fianarana miisa roa ihany koa.
Nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandray ireo fanomezana ireo ny Staff ny MESupReS tarihin'ny Talen'ny Filaminana sy Fiainana eny amin'ny Oniversite (DSVU) niaraka tamin'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina.