Taorian'ny fandalovan'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, teny amin'ny Oniversiten'i Barikadimy-Toamasina ny 11 Febroary 2026, dia nitohy ny 12 febroary 2026 ny hetsika fanohanana ireo mpianatra any an-toerana.

Tonga nanolotra vary sy tafo fanitso ho an’ireo mpianatra ny solontenan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy izay notarihin'ny Tale misahana ny Filaminana sy Fiainana eny amin'ny Oniversite (DSVU).

Nanatrika izany fanolorana izany ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina, Pr RAZANAKOLONA Diny ary naneho ny fankasitrahany ny Fitondram-panjakana noho izao firaisankina sy fijerena akaiky ny tanora mpianatra izao ny solontenan’ny mpianatra.