Anisan’ireo tena voadona mafy nandritra ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI ny Oniversiten’i Toamasina. Araka ny tombana voalohany dia manodidina ny 70%-n’ireo fotodrafitrasa no rava, ahitana trano fianarana, birao ary trano fonenan’ny mpianatra.

Nidina ifotony avy hatrany nanara-maso ny fahavoazana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, ny 11 febroary 2026. Nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Pr RAHERINIRINA Angelo izay niaraka tamin’ny Filoha nijery ifotony ny zava-misy.

Ankoatra ireo fanampiana vonjimaika ho an'ireo mpianatra, dia efa miroso amin’ny fandinihana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiaramiombon’antoka ihany koa ny Fitondram-panjakana, ny BNGRC ary ny MESUPRES. Ho an’ny MESUPRES manokana dia efa tapaka ny hampiasana ny teti-bolan’ny “Fonds Commun de l’Éducation” (FCE) ho fanarenana ireo foto-drafitrasa simba sy rava noho ny rivodoza. Efa miroso ihany koa ny fifampiresahana amin’ireo mpiaramiombon’antoka hafa toy ny "Agence Française de Développement" (AFD) sy ny Banky Iraisam-pirenena.