« 𝐴𝑜 𝑎𝑛𝑎𝑡𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑣𝑎𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑜𝑚𝑎𝑑𝑦 𝑛𝑜 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑠𝑎𝑖𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑡𝑠𝑖𝑙𝑜 »

Manome lanja manokana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Ao anatin’ny vinan’ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, no hamerenana indray ny UNIVERSIADE, fifaninanana nasionaly ho an’ireo Oniversite manerana an’i Madagasikara, ho fampiroboroboana ny firaisankina, ny talenta ary ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina eo amin’ny tanora mpianatra.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana rezionaly ho an’ny Oniversiten’Antananarivo ny Talen’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, Dr SOULEMAN Ibrahim Andriamandimby, ny 10 Febroary 2026, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ity hetsika ity dia manamarika dingana iray lehibe amin'ny fanamafisana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina eny anivon’ny Oniversite.