Tontosa ny 6 Febroary 2026, teto Fiadanana, ny famindram-pitantanana teo amin’ny 𝐒𝐞𝐤𝐫𝐞𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨, 𝐏𝐫 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐈𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐉𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐇𝐚𝐫𝐢𝐥𝐚𝐥𝐚, sy ny Sekretera Jeneraly teo aloha, Pr SALAVA Julien.
Nanokatra ny fotoana ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nisaotra ny Fitondram-panjakana noho ny fitokisana napetraka taminy ny Sekretera Jeneraly vaovao, izay nanambara fa hanohy sy hanamafy ny asa efa napetraka, ary hitondra fanavaozana. Niantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra izy amin'ny fiaraha-miasa.