Ny Fitondram-panjakana dia tsy manao ambanin-javatra ny fijerena ireo Oniversite satria izy ireo no mamokatra tanora malagasy, antoky ny rahampitso ho an'i Madagasikara.

Notanterahina ny 06 Febroary 2026, teo ambany fiahian’ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Jeneraly RABEARIMANANA Lucien, sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny fametrahana amin'ny fomba ôfisialy ny Filohan’ny Oniversiten'i Fianarantsoa, Pr HAJALALAINA Aimé Richard sy ireo Sojaben'ny Fakiolte ary ireo Tale samihafa.

Nanotrona ny fotoana tao an-toerana ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta vitsivitsy, ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Filohan’ny Oniversiten’i Toliara, ary ireo olomana-kaja maro ao an-toerana.

Nambaran’ny Minisitra tamin’izany fa takiana amin'ny mpitantana ny tamberin'andraikitra ka tsy tokony hanao kobak'ambava sy fampanantenana poakaty fotsiny. Politikam-pampianarana tratrarina ao anatin'ny vina mandritra izao fitantanana izao, ny fametrahana fampianarana tsara kalitao, fikarohana sy haivao mitarika fandrosoana maharitra. Misy ny tetikasa iarahana manatanteraka amin'ireo mpiara-miombon’antoka, hoy ny Filohan'ny Oniversite. Nomena voninahitra manokana nandritra ny lanonana ireo Profesora niakatra ho Profesora "Emérites".