Notanterahina teto Fiadanana ny 4 febroary 2026, ny famindram-pitantanana teo amin’ny Filohan’ny Oniversiten’Alaotra Mangoro mpisolo toerana vaovao, Dr RAKOTOARISON Miary, sy ny Tale teo aloha, Dr RAZAFIMAMONJY Fidimanantsoa Andrianarijaona.
Nanatanteraka izany ny Tale misahana ny Fankatoavana sy ny Fiantohana ny Kalitao (DAAQ) Pr RAHARINIRINA Angelo niaraka tamin'ny Tale misahana ny Raharaha momba ny Lalàna (DAJ).