Tonga namita iraka tao amin'ny Faritra Betsiboka ny 3 febroary 2026 ireo solontena avy ao amin'ny Governemanta, ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Nijery ifotony ny zava-misy sy ny fahasimbana nateraky ny fandalovan’ny rivodoza Fytia ary nizara fanampiana ho an’ireo mponina traboina niaraka tamin’ny Birao Nasionaly misahana ny Tandindondoza sy ny Loza (BNGRC) ireo delegasiona. Olona maherin’ny 3 500 avy ao amin’ny Kaominina Maevatanana sy Mahazoma no notolorana fanampiana ara-tsosialy. Ny tanjona dia ny hamonjena ireo traboina sy ny hamerenana haingana ny fiainam-bahoaka amin’ny laoniny.