𝑀𝑖𝑎𝑟𝑎-𝑚𝑖𝑒𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐺𝑜𝑣𝑒𝑟𝑛𝑒𝑚𝑎𝑛𝑡𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑘𝑎𝑙𝑖𝑡𝑎𝑜𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑒𝑡𝑜 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.

Notokanan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël ny 31 janoary 2026, ny « Office du Baccalauréat » ho an'ny Oniversiten'i Vakinankaratra ao Vatofotsy Antsirabe.

Anisany fanatsarana napetraka eto amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa izay tarihin'ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny fahaleovantenan'ireo Oniversitem-paritra amin'ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea.

Tanjona ny hanakaiky bebe kokoa ireo mpianatra sy hanatsarana ny fikarakarana ny fanatanterahana ny fanadinana bakalorea.

Taorian’ny fitokanana dia nihaino ny hetahetan'ireo mpianatra, ireo vahoakan'ny Faritra Vakinankaratra, ireo solotenan’ny rafitra, ireo fikambanana isan-tsokajiny ny Filoha niaraka tamin'ireo mpikambana maro ao amin’ny Governemanta.

Nampiantrano ny fifanakalozana sy fifanatrehana ny Amphi Oniversite Vakinankaratra.