𝑀𝑖ℎ𝑎𝑖𝑛𝑜 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑙𝑦 𝑛𝑦 ℎ𝑒𝑡𝑎ℎ𝑒𝑡𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎.
Nanolotra « forage » teny amin’ny trano fonenan’ny mpianatry ny Oniversiten’i Vakinankaratra ao Tsaratanana, Antsirabe, ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, ny 31 janoary 2026.
Ity « forage » ity dia mahaleotena ary mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ahitana rafitra fanadiovana rano ka azo sotroina avy hatrany. Mpianatra manodidina ny 350 no hisitraka izany.
Nitondra ny hetahetan’ireo mpianatra tamin’ny Filoha ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Nambaran’ny Filoha fa hahazo « bus » miisa roa ny Oniversite ary hisitraka « connexion » ireo mpianatra, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra.