Manohy ny ezaka fiaraha-mientana amin'ny famahana ny olan'ny jiro sy ny rano izay filàna fototra notakian'ireo mpianatra ny Fitondram-panjakana.
Ao anatin’izany dia « forage » avy amin’ny Fitondram-panjakana no natolotry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry Rano ny Fanadiovana sy Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ho an'ireo mpianatra ao amin’ny ESPA Vontovorona, ny 30 janoary 2026.
2 metatra toratelo isan'ora ny hafainganam-pandehan'ny rano ary afaka misitraka izany ireo mpianatra na dia misy fahatapahan-jiro aza.
Nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa fa mitohy ny fanatsarana ny fiainan'ny mpianatra ary hisitraka rano fisotro madio amin'ny alalan’ny « forage » avokoa ny Oniversite manerana ny Nosy.