𝑀𝑖𝑎𝑟𝑎-𝑚𝑖𝑒𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑟𝑎-𝑇𝑠𝑖𝑎𝑛𝑠𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑖ℎ𝑎𝑖𝑛𝑜𝑎𝑛𝑎, 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑘𝑎𝑖𝑘𝑒𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 ℎ𝑜 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑘𝑎𝑙𝑖𝑡𝑎𝑜𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦.
Notanterahina ny 29 janoary 2026 tao amin'ny Oniversiten'i Toamasina ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ny Filohan'ny Oniversite, Pr RAZANAKOLONA Diny sy ireo Sojabe ary ireo Talen'ny Sekoly Doktoraly. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy notronin’ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta vitsivitsy, sy ireo manam-boninahitra maro ao Toamasina.
Nomarihin'ny Minisitra nandritra ny lahateniny ny hanatanterahin'ireo tompon'andraikitra voafidy ny tamberin'andraikitra amin'ireo vina napetrak'izy ireo ho fampandrosoana ny Oniversite sy hanatsarana ny fampianarana.
Mifototra amin'ny fitantanana mangarahara ho tombontsoa maharitra ny Oniversite, fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana, ny fanatsarana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa, ary fametrahana ho laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa amin'ireo Oniversite any ivelany ny vinan'asan'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina.