Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ho famolavolana vokatra azo tsapain-tanana amin’ny fampivoarana maharitra ny fampianarana ambony sy ny fikarohana eto Madagasikara, niara-nidinika an-databatra boribory teto Fiadanana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola, ny 26 janoary 2026.
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Service de Coopération et d’Action Culturelle (SCAC), ny Agence Française du Développement (AFD), ny Union Européenne (UE), ny Institut de Recherche pour le Développement (IRD), ny Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD), ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF), ny HUAWEI, ny Banque Mondiale, ary ny Fondation VISEO.
Nampahafantarina sy nodinihina nandritra ny fihaonana ny laharam-pahamehan’ny Minisitera, anisan’izany ny :
Fanatobiana nomerika
Fanatsarana sy fanorenana eny anivon’ny Oniversite
Fampivoarana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana
Samy nanao tatitra mikasika ireo tetikasa efa an-dalam-panatanterahana sy ireo tetikasa kasaina hapetraka atsy ho atsy ireo mpiara-miombon’antoka.
Mbola hisy ny fihaonana manaraka hitondrana sy hanamafisana ireo tetikasa iarahana.