Nandritra ny fandalovan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël sy Ramatoa vadiny tany Toamasina niaraka tamin'ny Mpanolon-tsaina Avo dia nitafa mivantana tamin’ireo mpianatra tao Barikadimy izy ny 23 janoary 2026.
Nanafatra ireo mpianatra izy mba hametraka ny mahazava-dehibe ny fianarana sy hikolokolo ny Oniversiten'i Toamasina. Mamaly tsikelikely izay azo atao amin’ny hetahetan'ireo mpianatra ny Fitondram-panjakana hoy izy.
Nitsidika fotodrafitrasa samihafa izay an-dalam-panamboarana, toy ny : « terrain de basket », « dojo », « amphi » sy ny « grand amphi », « blocs sanitaires », ireo trano fipetrahan’ny mpianatra R+1 sy R+2.
Notsidihina ihany koa ireo asa efa vita sy azo tsapain-tanana, ahitana : « forage », « panneaux solaires » manana tanjaka 1 MW, izay efa miasa tanteraka, « groupe électrogène » manana tanjaka 200 KVA, miaraka amin’ny solika 5 000 litatra.
Ho fanohanana ny Oniversite dia nanolotra « camion benne » mahazaka 6 taonina, loko-trano miisa 250 bidons, ary solosaina ihany koa ny Filoha.
Ankoatra izany, hisitraka « internet » ny mpianatra, amin’ny alalan’ny tetikasa napetraky ny Fanjakana, toy ny ao amin'ny Oniversiten’i Toliara, ary efa an-dalam-pampiharana ho an’ny Oniversiten’i Toamasina.
Tetsy ankilany dia nanohana ny fangatahan'ireo mpianatra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy amin'ny maha mpiahy ny Oniversite azy. Maro ny fotodrafitrasa natsangana sy hatsangana hoy izy ka mangataka ny mpianatra hikajy azy ireny. Mikasika ny vatsim-pianarana dia hanomboka ny fikarakarana izany raha vantany vao mifarana ny 16 febroary hoavy izao ny fisoratana anarana amin'ny taom-pianarana 2025-2026.
Nitondra ny teny fisaoran'ireo mpampianatra sy mpandraharaha rehetra ho an'Andriamatoa Filoha ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina, Pr RAZANAKOLONA Diny tamin'ny nahalany ny lalàna mikasika ny fizakantenan'ny Oniversite, ny lalàna momba ny Fikarohana, ny fampiakarana ny tahan'ny oran'ny « vacation » sy ny ora fanampiny ary ny « rappel des trois décrets ».