Notanterahina ny 21 janoary 2026 ny famindram-pitantanana teo amin'ny Tale Jeneraly mpisolo-toerana Dr HDR SAMBATRA Eric Jean Roy sy ny Tale Jeneraly teo aloha Dr TSIMITAMBY Briand izay natrehan’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr SALAVA Julien.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ireo manam-pahefana tao an-toerana, ny mpampianatra, ny mpandraharaha, ny mpianatra ary ireo mpianatra nivoaka avy ao amin’ny IST-D.