Ny Fitondram-panjakana dia mametraka ny fampianarana ambony ho laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny Firenena ka miara-mientana amin’izany ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Notontosaina androany 22 janoary 2026 teny amin'ny Oniversiten’Antananarivo ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Oniversite, Pr RANDRIANASOLO Rivoarison sy ireo Sojabe ary ireo Talen’ny Sekoly Doktoraly. Teo ihany koa ny fitokanana ny « Amphi » ny Fakiolten'ny Siansa NAS sy ny fanokafana ny fankalazana ny faha-65 taonan'ny Oniversiten’Antananarivo.

Nisongadina tao anatin'ny lahatenin'Andriamatoa Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandritra ireo fotoana ireo ny hanaovana filamatra ny fandrosoana ao anatin’ny fiaraha-mientana mba hitondra fampandrosoana sy tamberin’andraikitra ho an’ny Oniversite ny vina nataon'ireo Filohan'ny Oniversite rehetra.

Mifototra amin'ny fanatsarana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa, ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana sy fampiroboroboana ny fikarohana, ny fametrahana fitondrana tsara tantana sy fitoniana ara-tsosialy maharitra miainga amin'ny tontolo maha-olona ny vinan’asan’ny Filohan’ny Oniversite vaovao.