Notanterahina ny 20 janoary 2026 tao Nosy Be ny famindram-pitantanana teo amin’ny Talen’ny Ivotoerana Nasionaly mikasika ny Fikarohana an-dRanomasina (CNRO) vaovao, Pr LANDY SOAMBOLA Amélie sy ny Tale teo aloha, Dr ADOUHOURI Aly Bachiry.

Nanatanteraka izany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, Pr SALAVA Julien sy ny Solontenan’ny Fitaleavana misahana ny raharaha momba ny lalàna eto amin’ny MESUPRES.