Anisan’ny vina lehibe ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ny fanaingana ny toekarena Malagasy ary mandray anjara feno amin’izany ny Governemantan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
Vita sonia ny 21 janoary 2026 teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo teo anatrehan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARIVELO Herintsalama ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitera dimy (05) ho fanomezana lanja ny voka-pikarohana, ny talenta sy fahaiza-manao Malagasy.

Niara-nanao sonia izany ny :
- Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy,
- Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, Andriamatoa RASOARAHONA Andriniaina,
- Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-Kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Andriamatoa ANDRIAMAMPIADANA Mahefa,
- Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RASATARIMANANA José Nirina
- Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga, Andriamatoa CHAN KIT WAYE Jaco.
Ao anatin’izao fifanarahana izao no hametrahana ny UNIPOD, ivotoerana nasionaly voalohany eto amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa miaraka amin'ny tan-tsoroky ny PNUD, ho fanohanana ny fandraharahana avy amin’ny fikarohana ara-tsiansa mba ho vahaolana azo ampiharina ho an’ny daholobe. Ity no sehatra hampifandraisana ireo : ivotoeram-pikarohana, oniversite, indostria, sehatra tsy miankina ary ireo Minisitera isan-tsokajiny.
Tanjona ny hamadika ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fampianarana ambony ary ny haivao ho fitaovana mivantana hamoronana asa mba hanana fahaleovan-tena ara-toekarena.