Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 19 janoary 2026 teny amin'ny CCI Ivato ny Dinika ho fanaingana ny Toekarena. Lanonana teo ambany fitarihan’ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan' i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël sy teo ambany fiahian’ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARIVELO Herintsalama.
Tonga nanatrika izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ka anisan'izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Tanjona amin'ny Dinika ny famoahana drafitra nasionaly ho fanavaozana ny toekarena sy ny fifanekena iombonan'ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Fanombohana ihany izao natao izao fa hitohy any amin'ny Faritra samihafa ny fampidinihana ara-teknika sy ny fakan-kevitra. Mandray anjara mavitrika ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ireo tanora.