𝑀𝑖𝑡𝑜ℎ𝑦 𝑛𝑦 𝑒𝑧𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑡𝑎𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑑𝑖𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑣𝑎ℎ𝑎𝑜𝑙𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑓𝑎𝑛𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑒𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑜𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒.
Nanantanteraka ny fihaonana voalohany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ireo solotenan’ny banky ara-barotra. Ireto avy no nandray anjara tamin’izany : Sipem Banque, BMOI, BRED, BGFI BANK, ACCÈS BANK, SBM, MCB, BNI, ary ny BOA.
Votoatin’ny fihaonana ny famelabelarana ny vinan’ny Ministera sy ny fandinihana ny fiaraha-miasa azo tanterahina ho fanampiana ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Teboka telo lehibe no noresahan’ny Minisitra :
- Famatsiam-bola ho an’ny fikarohana
- Famatsiam-bola ho an’ny mpianatra ambaratonga ambony
- Tetikasa fampindramam-bola tsy misy zanany na taham-bola manokana
Santatra am-bavarano ity fihaonana ity ary mbola hisy ny fihaonana manaraka eo amin'ny roa tonta handrosoana ireo tolotra sy tetikasa azo tanterahina.